Tsy mora ny fikarakarana ny zanakazo vao ho azo volena ary indrindra vao lasa hazo.Misy anefa ireo olona no minia mikapa sy mandripaka tsy ara-drariny ary ny fahamaizana vokatry ny doro tanety.Nahatsapa izany ireo mpitsara mpamoaka didy sy ny filohan’ny fitsarana eto Moramanga ary ny lehiben’ny fampanoavana nandritra ny fitsidihan’izy ireo ny toerana fambolena zanakazo izay manomboka amin’ny fikarakarana ny tany sy ny famafazana ny masomboly tao amin’ny orinasa Fanalamanga.Nanantitrantitra ny lehiben’ny fampanoavana eto Moramanga rehefa nahatsapa fa hentitra ny sazy hoan’ireo izay tratra manao ny fandikan-dalàna amin’ny fandripahana ny ala tsy ara-drariny sy ny fandoroana ny ala ; izay matetika no tsy tratra ny olona manao ireny habibiana ireny fa izay mponina manodidina ny toerana hitrangan’ny afo no raisina ho tompon’andraikitra. Efa maro ny olona tafiditra any am-ponja amin’ity tsy fanarahan-dalàna mahakasika ny ala ity.Tombony hoan’ny orinasa ny fisian’ny fitsarana miara-miaro ny tontolo iainana no sady mametraka ny maha zava-dehibe ny fananana an’izany ala izany.Ity fotoana ity ihany koa no nanoloran’ny tale jeneralin’ny orinasa Fanalamanga Rakotonirina Augustin an’ireo fanaka maro samy hafa toy ny latabatra sy armoara ary seza ho fampitaovana ny biraon’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto an-toerana. Izao rehetra izao dia tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina.
CATHY
The post Moramanga : Henjana ny sazy ho an’ireo mpanimba ala appeared first on Midi Madagasikara.